Hebrews 10

1Fa ny lalàna dia alok’ireo zavatra tsara ho avy fotsiny, fa tsy tena endrik’ireo zavatra ireo. Ireo izay manatona an’Andriamanitra dia tsy afaka ny ho lafatra amin’ny alalan’ny sorona mitovy amin’izay entin’ireo mpisorona isan-taona. 2Raha izany tsy efa nitsahatra ny nanolotra ireny sorona ireny ve izy ireo? Amin’izany tranga izany, raha efa nodiovina indray mandeha monja izy ireo, dia tsy mba hahafantatra ny ota intsony ireo mpivavaka. 3Fa amin’ireo sorona ireo dia misy fampatsiahivana ireo ota isan-taona. 4Satria ny ràn’ny omby lahy sy osy lahy dia tsy mahavita manala ireo ota.

5Rehefa tonga teto amin’izao tontolo izao Kristy, dia niteny Izy hoe: “Tsy sorona na koa fanatitra no nirianareo. Fa kosa, vatana izay efa nomaninareo ho Ahy. 6Ny fanatitra nodorana na sorona ho an’ny ota dia tsy nifalianao. 7Ary hoy Aho hoe: “Jereo, inty Aho, araka izay voasoratra momba Ahy ao amin’ny Soratra Masina, mba hanao ny sitrakareo.”

8Voalohany niteny izy hoe: “Tsy sorona, na koa fanatitra, na fanatitra nodorana, na sorona ho an’ny ota no nirinareo. Ary Ianao tsy nifaly tao amin’izy ireny.” Ireny dia sorona izay atolotra araka ny lalàna. 9Ary niteny izy hoe: “Jereo, inty Aho hanao ny sitrakareo.” Izy dia nanala ny fampiharana voalohany mba hametrahana ny fampiharana faharoa. 10Tamin’izany sitraka izany, isika dia nohamasinina tamin’ny alalan’ny fanatitry ny vatan’i Jesosy Kristy indray mandeha monja.

11Amin’ny lafiny iray, ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro manompo an’Andriamanitra. Izy dia manolotra sorona mitovy hatrany, na izany aza izy ireo dia tsy afaka manala ireo ota mihintsy. 12Amin’ny lafiny iray hafa, Kristy dia nanolotra sorona iray ho an’ny ota mandrakizay, nipetraka teo an-tanan‘ankavanan’Andriamanitra Izy. 13Izy dia miandry mandra-panaovana ireo fahavalony ho fitoeran-tongotra ho an’ny tongony. 14Fa tamin’ny fanatitra iray izy dia nahalavorary mandrakizay ireo izay nohamasinina.

15Ny Fanahy Masina koa dia mijoro vavolombelona ho antsika. Fa tamin’ny voalohany Izy niteny hoe: 16“Ity no fanekena izay ho ataoko miaraka amin’izy ireo aorian’ireo andro ireo, hoy ny Tompo. Hapetrako ao am-pon’izy ireo ny lalàko, ary hanoratra izany ao an-tsain’izy ireo Aho.

17Tsy hahatsiaro ny ota sy ireo helok’izy ireo intsony Aho.” 18Ary na aiza misy famelana izany, dia tsy misy sorona ho an’ny ota intsony.

19Noho izany, ry rahalahy, isika dia manana fahatokiana ny hiditra ao amin’ny toerana masina indrindra tamin’ny ràn’i Jesosy. 20Izany no lalana vaovao sady velona izay nosokafany ho antsika tamin’ny alalan’ny lamba, izany hoe, tamin’ny alalan’ ny nofony. 21Satria isika dia manana mpisorona lehibe mitandrina ny tranon’Andriamanitra, 22aoka isika hanatona amin’ny fo madio amin’ny finoana feno fahatokiana, mba hananantsika fo voadio amin’ny fieritreretana ratsy ary hananantsika vatana voadio tamin’ny rano madio.

23Aoka isika hiazona mafy ny fanekena ny fiandrandrana mahatokintsika, tsy am-pihozongozonana, satria Andriamanitra, izay nampanantena, dia mahatoky. 24Aoka isika handinika ny fomba handrisihana ny tsirairay amin’ny fitiavana sy ireo asa tsara. 25Aoka isika tsy hanajanona ny fiarahana miangona, tahaka ny nataon’ny sasany. Fa kosa, mifankahereza hatrany hatrany, ary maika fa hitanareo fa manakaiky ny andro.

26Fa raha toa isika minia manota rehefa avy nandray ny fahalalana ny marina, dia tsy misy fanatitra ho an’ny ota intsony. 27Fa kosa, tokana ihany ny fiandrasana mahatahotry ny fitsarana, ary fahatezerana mirehitra izay hamotika ireo fahavalon’Andriamanitra.

28Na iza na iza nandà ny lalàn’i Mosesy dia ho faty tsy misy indrafo amin’ny fijorona vavolombelon’ireo roa na telo izay nanatri-maso. 29Fanasaziana ratsy lavitra toy ny ahoana no eritreretinareo fa mendrika ireo izay nanitsaka ny Zanak’Andriamanitra, izay nanao ny ràn’ny fifanekena ho tsy masina—Ilay rà izay nanamasinana Azy—ary naniratsira ny Fanahin’ny fahasoavana?

30Fa isika mahafantatra ilay iray izay niteny hoe: “Ahy ny valifaty; Izaho no hamaly.” Ary koa: “Ny Tompo dia hitsara ny olony.” 31Zavatra mampitahotra no hilatsaka eo an-tananan’ny Andriamanitra velona!

32Fa tadidio ireo andro taloha, rehefa nohazavaina ianareo, ny fomba niharetanareo ny ady mafy tamin’ny fijaliana. 33Ianareo dia nalaina baraka ampahibemaso tamin’ny fanaratsiana sy tamin’ny fanenjehana, ary ianareo dia niaraka nizara tamin’ireo izay nandalo fijaliana toy izany. 34Satria ianareo dia nanana fangoraham-po tamin’ireo izay voafonja, ary ianareo dia nanaiky tamin-pifaliana ny fangalàna ny fanananareo. Dia nahafantatra ianareo fa ny tenanareo dia manana fananana tsara kokoa sy maharitra mandrakizay. [Fanamarihana: Ny dikan-teny taloha dia tsy hahitana ny fehezanteny hoe: “Fa ianareo dia nanana fangoraham-po tamin’ny gadrako.”]

35Noho izany dia aza ariana ny fahatokianareo, izay manana valisoa lehibe. 36Fa ianareo dia mila faharetana, mba hahazaoanareo izay nampanantenain’Andriamanitra, rehefa nanao ny sitrapony ianareo. 37Fa tsy ho ela akory, ilay iray izay ho avy dia ho avy tokoa ary tsy ho tara.

38Ny oloko marina dia hivelona amin’ny finoana. Raha mihemotra izy, Izaho dia tsy ho faly aminy.‘’ Fa isika dia tsy anisan’ireo izay mihemotra ho amin’ny faharavana. Fa kosa, isika dia anisan’ireo izay manana finoana ho amin’ny fihazonana ny fanahintsika.

39

Copyright information for PltULB